Actualités

Fampisehoan’i James Blunt Kely sisa ireo tapakila


  • Alarobia 29 Jona 2011

Roa volana eo ho eo sisa dia higadona ny fotoana amin’ilay fampisehoana goavana hataon’ilay mpanakanto malaza James Blunt atsy Afrika Atsimo.

 Ny 26 aogositra ho avy izao tokoa manko dia hiantsehatra ao amin’ny Coca Cola Dome, ao Johannesbourg ny tenany ary dia azo vidiana eto amintsika amin’ny alalan’ny Service Speed ny tapakila ho amin’izany. Tsy miova fa mitovy sarany amin’izay fidirana any an-toerana no ivarotan’ny Speed ny tapakila eto dia 75 000 ariary isan’olona. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Service Speed dia tsy ny tapakila ihany no azo vidiana ao aminy fa afaka manomana ny fivahinianana toy ny tapakilan’ny fiaramanidina, ny hotely hitoerana, ny torolalana amin’ny fivahinianana any an-toerana ihany koa.

Na ho an’olon-droa, na olon-tokana dia azony hatao avokoa, eny raha mbola manana hevitra hafa ihany koa aza ny mpanjifa dia azon’ny Speed hifampidinihana. Araka ny fanazavana ihany dia nanomboka tamin’ity volana jona ity ny fivarotana izany tapakilan’ny fampisehoan’i James Blunt izany. Hatreto dia efa vitsivitsy ihany sisa ireo tapakila tavela. Tsiahivina fa tafiditra indrindra amin’ny fampahafantarana ilay raki-kira vaovao an’i James Blunt antsoina hoe «Some Kind of Trouble» ity fampisehoana hataony atsy Johannesbourg ity. Raha mila fanampim-panazavana na hamandrika tapakila dia azo atao ny miantso ireto laharana ireto: 033 37 300 54, 033 15 300 99, 032 76 790 73, 034 05 031 45.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT