Actualités

Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina Olona 80 000 hisitraka tetikasa 9 tapitrisa dolara


  • Zoma 15 Jolay 2022

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Mining Business Center eny Ivato ny tetikasa iray hamoahana rindram-pitantanana famatsiam-bola moderna hampiroboroboana ny fampiasana angovo maharitra eto

Madagasikara. Niara-nanokatra izany Lehiben’ny governemanta Malagasy, Atoa Ntsay Christian sy ny Solontena maharitry ny Firenena Mikambana miasa sy monina eto amintsika, Andriamatoa Issa Sanogo. Miara-miasa hametraka io rindram-pitantanana famatsiam-bola moderna hampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina eto Madagasikara io ny governemanta Malagasy sy ny Firenena Mikambana. Tanjona ny hampivoarana hatrany ny toekaren’ny firenena sy ny hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny. Vatsian’ny « Fonds Commun pour les Objectifs du Développement Durable – SGD Fund» hatramin’ny 8 983 345 dolara ny tetikasa ka haharitra efa-taona. Olona miisa 80 000 eo fara fahakeliny no hisitraka izany, ka vehivavy ny 40% n’ireo ary tanora kosa ny 40%, ka tetikasa madinika misehatra amin’ ny angovo miisa 60 eo ho eo no hiandraiketan’ity tetikasa lehibe ity, ary anisan’ny tanjona ny hampihenana ny fanariana « gaz carbonique », sy ny hahitana fandrosoana azo tsapain-tanana eo amin’ny sehatry ny angovo. Nanolotra fisaorana ho an’ny Firenena Mikambana ny Praiminisitra manoloana izao fitaovana ara-bola hoentina hanatsarana ny fitrandrahana sy fampiasana ny angovo azo havaozina izao. Tanjona, hoy izy, ny hipariahan’izany manerana ireo tontolo ambanivohitra ary vinavinaina ho hatramin’ny 50% n’ny Malagasy, araka ny velirano faharoan’ny Filohan’ny Repoblika. Nomarihiny fa hohamafisina sy hitondrana fanavaozana araka izay filana miseho ireo rafitra voakasik’ity sehatra ity amin’ny alalan’ny fantsarana ny rafitra efa misy satria efa hita ny olana eon anivon’ny Jirama. Namporisika sy nanentana ny sehatra tsy miankina handraharaha amin’izany ny Praiminisitra, ary niantso ny hiarahan’izy ireo miasa amin’ny fitondram-panjakana, hanatanterahana hatrany ifotony an’izao tetikasa izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT