Actualités

Fampirantiana lehibe ara-pizahantany Handray anjara any Londres i Madagasikara


  • Alakamisy 03 Novambra 2022

Hotanterahina any Londres Royaume-Uni ny 7-9 novambra 2022 ny fampirantiana ara-pizahantany lehibe momba ny tsenan’ny fizahantany World Travel Market na WTM. Fotoan-dehibe tsy azo hihodivirana ho an’ireo matihanina

amin’ny sehatry ny fizahantanyy maneran-tany. Isan’ireo hiatrika izany I Madagasikara amin’ny alalan’ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany miaraka amin’ireo mpandraharaha ara-pizahantany. Fotoana hararaotina hampahafantarana an’I Madagasikara sy hisintonana ireo mpizahatany aty amintsika io, ary hanehoana ny lanjan’ny firenentsika eo anatrehan’izao tontolo izao. Maneran-tany, manomboka miverina tsikelikely ny fizarahatany. Taorian’ny fidinana 50% ny lanja ambony apanga mivantana entin’ny fizahantany amin’ny toekarena faobe (PIB) maneran-tany sy ny fahaverezan’asa an-tapitrisany tamin’ny taona 2022, manomboka miverina amin’ny laoniny izany ankehitriny, ary mihabetsaka ny tinady, raha ny tatitra. Eo anatrehan’ny fahasarotana mihatra amin’ireo mpisehatra, mametraka tanjona sy politika sy politika lavitr’ezaka ahafahana mampiroborobo ny fizahantany ny WTTC (World Travel and Tourism Council). Ho an’ny eto Madagasikara, manomboka misokatra tsikelikely ny fizahantany, saingy mbola lavitry ny tanjona amin’ny isan’ny mpizahatany tokony hotratrarina. Tao alohan’ny coronavirus, manodidina ny 3 hetsy isan-taona ny mpizahatany tonga eto, raha toa ka manodidina ny 3 tapitrisa isan-taona kosa ny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Mila ezaka be isika eo anatrehan’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT