Actualités

FAMPIJALIANA ZAZA Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Ankizy roa indray no nampijalian-dRainy ka nanaitra ny fiarahamonina. Nihidy moa ny trano nisy azy ireo ka voatery nosokafana izany.

 Gaga ireo olona nahita ireo zaza samy mifatotra. Ilay zazalahy kely nifatotra ny tanana sy ny tongony fa ilay zazavavy kely kosa dia sady nafatotra ny tanany sy ny tongony no mihantona tsy nipetraka tamin'ny tany ny tenany. Taorian'izay moa dia tonga ilay Raim-pianakaviana nampijaly ireto zaza ireto ka saika niharan'ny fitsaram-bahoaka raha tsy teo ny sefo fokontany ary tonga ihany koa ny Polisy nisambotra avy hatrany ity lehilahy ity. Fantatra tao anatin'ny fanadihadiana fa zana-badiny ireto zaza nampijaliany ireto ary lasa niasa ny renin'ilay zaza ka izy ireo irery sisa no tao an-trano. Nambarany fa noho ny ditra nataon'ireto ankizy no antony nanaovany izany ary fanaony ny manafay azy ireo toy izao. 09 taona ilay zazalahy ary 6taona kosa ilay zazavavy kely.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT