Tsipahan’ny «Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar» ny fandinihan’ny Antenimierandoholona ilay volavolan-dalŕna momba ny fampihavanam-pirenena mialoha ny Antenimieram-pirenena.
Lavin’ny FEDeP ankitsirano ihany koa ny fandanian’ireo loholon’i Madagasikara azy io mialohan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara. Naneho ny tsy fankasitrahany ny fomba fiasan’ny fanjakana mahefa tamin’ny filohan’ity andrimpanjakana mpanao lalàna eny Tsimbazaza ity moa omaly ny fikambanan’ireo gadra politika. Volavolan-dalàna izay tsy misy mpahalala ny vontoatiny hatramin’izao na dia ilay komity manam-pahaizana manokana nikirakira ity antontan-kevitra goavana be ity aza, hoy ny filohan’ny FEDeP Rakotomalala Henri. Takian’ireto farany rahateo ny fampidirana ireo soso-kevitra naroson’ireo fikambanana samihafa sy ny fisian’ny mangarahara mialoha ny famadihana io volavolan-dalàna io ho lasa lalàna velona eto amin’ny firenena malagasy. Tsy raharahan’olom-bitsy na fiarovana ny tombontsoan’ireo sokajin’olona voatsonga ihany mantsy ny fametrahana ny tena fampihavanam-pirenena, araka ny fanamarihan’ny FEDep.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.