Tsy vao izao no nodradradradraina izany hoe fampihavanam-pirenena izany fa efa an-taonany maro. Nitarika izany ny profesora Zafy Albert, nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Io am-periny io indray ny Filankevi-pirenena momba ny Fampihavanam-pirenena fa samy tsy nahitam-bokany hatramin’izao, hoy i Fidison mpandrindra nasionalin’ny Green Gasikara. Ankehitriny dia mahavelom-panantenana ny kabarin’ny filoham-pirenena vaovao izay manao ho laharam-pahamehana ny fampihavanam-pirenena ary vonona ny hanampy azy izahay, hoy ity farany. Raha sanatria ka tsy tanteraka kosa io fampanantenana io dia ny vahoaka nametraka ny filoha teo amin’ny fitondrana ihany no hanala azy. Tsotra nefa sarotra ny fampiharana ny tena fampihavanam-pirenena, hoy i Fidison.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.