Actualités

Fampiharana ny vidin-tsolika tena izy Baiko sy tsindrin’ny mpamatsy vola


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Loharanom-baovao azo antoka no nahazoana fa noteren’ny mpamatsy vola hanatanteraka ilay « vérité des prix » na vidiny tena izy ny Fanjakana amin’ny resaka solika, ka nahatonga ny Filoham-pirenena nilaza ny alatsinainy teo,

fa mila miomana amin’izany ny Fanjakana. Fepetra efa notakian’ny mpamatsy vola foana io. Efa niroso tsara ny raharaha tamin’ny andron-Rajaonarimampianina, saingy tato aoriana tsy nanaiky sy isan’ny nanao tsindry ny mpandraharaha goavana iray sy ny mpitantana ambony iray amin’ny tokony ho anjaran'izy roalahy tamin’ireto orinasa mpaninjara solika, hoy io loharanom-baovao io. Ny vahoaka, tsy afa-manoatra satria tsisy tongotra sy tànana hamikirana sy hanipahana, moa no handaingany sy fetsifetseny. Mazava ho azy, raha notohizina ny ezaka efa natao teo aloha dia mba efa somary voafehy ny fiantraikany. Tsy afa-manoatra ny mpivarotra, ary ny tena loza ahiana hitombo ny herisetra sy tsy fitoniana hiseho amin'ny fomba maro, ka mey tsy ho voatana intsony ny fidinan'ny olona eny an-dalambe. Raha ny sora-bola voafaritra na «masse de crédits de solde» tsy tena ahafahana miatrika ireo tinady be dia be ampian'ny fiakaran'ny karama. Ny FMI hanaiky ny hanampiana ny “masse de credit de solde” fa any an-kàfà (izay ampiongana ny Fanjakana) izy no hanery ny governemanta. Tsy ratsy ny an'ny FMI fa araka ny fanazavana, ilaina anefa ny hisian'ny fifandanjana ara-toekarena na “équilibre macro-économique”. Miankina amin’ny fahatanterahan’ireny no mety hisian’ny famoaham-bola ampahany avy amin’ny FMI. Ho avy ny PTF (Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola) saingy mila ny antsoina hoe: “projets bancable” izy ireo vao miditra, raha ny fanehoan-kevitra. Mety handeha ireo tetikasa goavana momba ny fanamboarana toby famokarana angovo amin’ny rian-drano satria isan’ny notsiandriany ny resaka famokarana herinandratra. Ho arahiny akaiky ireo olon’ny fitondrana na akaiky ny fitondrana malaza ratsy. Tena tsy misangy ny mpamatsy vola, ary misy ny iraka mpanara-maso sy mpanangom-baovao (agents des renseignements) ampiasainy.

Toky R
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT