Actualités

Fampielezana vaovao tsy marina Nanazava ny tena nitranga ny polisim-pirenena


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Misy tranga mila hazavaina sy havana tsara fa misy fotoana diso ny vaovao misy manaparitaka amin’ny facebook, hoy ny polisim-pirenena .

Ka hoy indrindra ny fanazavana .Nisy " Publication" milaza fa nisy ny fifampitifirana ka nahatonga ireo naratra tonga teny amin'ny hopitaly HJRA. Nolazaina ihany koa fa tonga teny amin'ny hopitaly ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ireo Polisy marobe . Toy izao anefa no tena zava-nisy , raha ny fanazavana ofisialy : lozam-pifamoivoizana roa samihafa teny amin'ny lalam-pirenena fahafito no nifanojo tamin'ny lalan'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Ny voalohany dia taxi-brousse iray avy aty Antananarivo hizotra ho any Belo sur Tsiribihina no niharan-doza tetsy Anjomakely ka Polisy miisa 02 handeha hamita iraka no naratra tamin'izany . Ny faharoa kosa teny Ambohibao ( commune rurale bongatsara) , lehilahy iray nitondra moto nandona "Borne kilométrique " ary nifatratra tany anaty lavaka niala ny lalana.
Vao nahita ireo lozam-pifamoivoizana ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka dia nitondra ireo niharam-boina haingana teny amin'ny hopitaly . Noho ny ratra nahazo ilay lehilahy mpitondra moto dia tsy tana intsony ny ainy, ireo Polisy miisa 02 kosa dia mbola manohy ny fitsaboana azy.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT