Manjaka ny gaboraraka ary tsy hita intsony ny fampiharana ny lalàna fa zatra fiainana mandeha ho azy tamin’ity fampielezan-kevitra indray mitoraka ity.
Samy mametaka afisin’ireo kandidà etsy sy eroa ny mpomba azy na ireo olona voakarama hanao izany, eny hatramin’ny tambohon’olona sy rindrina ary toerana hafa tsy nahazoana alalana, nefa eny amin'ireo fafana mirefy 1m 20 avy anjaran'ny kandidà tsirairay efa natokana ho an'izany zara raha misy mametaka ary mipetra-potsiny.
Amin’izao dia misy mihitsy andian’olona mivelona amin’ny fandrovitana imasom-bahoaka ny afisin’ny kandidà sasany voalaza fa «favori». Vao mipetraka ny afisina kandidà hafa tonga dia rovitra ka dia asa very maina fotsiny satria tsy nisy nahita akory ny mombamomba ilay kandida. Misy ihany koa ny tsy menatra manindry ny afisin’ny kandidà hafa izay efa mipetraka eo amin’ireny takelaka maro ireny. Raha nanontany tanora iray mpanao izany izahay dia nilaza ny tenany fa mba hisongonana an’ireo kandidà no antony.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.