Fampielezan-kevitra

> Miketrika koa ny mpisoloky


  • Talata 01 Oktobra 2013

Nitrangana asa fisolokiana tao amin’ny Kaomininina Ambohitrony Andriampamaky ny zoma 27 septambra lasa teo. Tovolahy efa zatra ady amin’ny resaka fanambakana sy fisolokiana avy aty an-drenivohitra no namita izany asa ratsy izany tany.

Nilaza ho manomana fampielezan-kevitra kandida iray izy ary mitady olona hiaraka hiasa aminy amin’ny fanohanana ara-tsakafo sy ara-bola izay olona hangonina amin’ny fampielezan-kevitra. Mpandraharaha ara-barotra vitsivitsy no nanatonany tamin’izany saingy ny iray tamin’ny ireo ihany no nanaiky ny soso-keviny. Rehefa tonga ny fotoana hakana ilay vola, dia nentin’ilay jiolahy tamina toerana nolazainy fa hanaovana fotoana amin’ireo lehibeny hitarika ny fampielezan-kevitra ilay tompom-bola, izay vehivavy. Nony tonga teny anefa dia nilaza indray izy fa izy irery ihany no mahazo miditra ao amin’ilay toerana ka nasainy niandry teo ilay vehivavy nosolokiany ka nandritra izany no namadihany ilay vola tao anaty plastika ho taratasy sy baoritra. Tsy nahatsikaritra izany kosa nefa ny tompom-bola raha tsy tany an-tranony, ka nampadre haingana ny zandary sy ny manodidina amin’ny fisiana mpisoloky eo an-tanàna. Natao avy hatrany ny fitadiavana ka tratra ilay jiolahy, niaraka tamin’ny vola mitentina 980 000 Ariary izay vola nalainy tamin’ilay mpivarotra. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy no nahalalana fa efa mpanao io asa fisolokiana io izy. Eny Ambohijatovo sy Anosizato no tena fanaovany izany. Omaly alatsinainy izy no natolotra ny fitsarana.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT