Miditra amin’ny herinandro fahatelo ankehitriny ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena. Arakaraka ny hanatonan’ny datim-pifidianana no mampitombo ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpanohana ny kandida tsirairay avy. Any Ambatondrazaka dia maro be ireo mametraka afisy any amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Tsy tenenina intsony ny fanaovana teny fandranitana ny mpifanandrina amin’io fifidianana io. Ao indray ireo efa manao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ka valalanina hatramin’ireo vahoaka handalovan’izy ireny. Tsikaritra ihany koa fa tsy ampy ny toerana nomen’ny fanjakana hahafahana mametraka ireny afisin’ny kandida ireny ka tsy mahagaga raha manjaka ny tsy fanarahan-dalàna. Hatreto dia mitazam-potsiny ireo karazana tsy fanarahan-dalàna miseho ireo ny tompon’andraikitra natao hanara-maso izany.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.