Actualités

Fampiasana «facture» Tsy mampitovy hevitra


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011

Tranga anisan’ny nalaza efa ho herinandro izao ny tsy faneken’ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’Andravoahangy sy Anosibe ny fampiasana ny «facture», araka ny didy navoakan’ny fitondrana tetezamita.

Natao moa izany mba hahafahana mamantatra mazava an-taratasy ny vidin’ny entana nalaina tany am-potony ary hahafahana ihany koa mandrefy ny tombombarotra alain’ny mpivarotra tsirairay avy, na ara-dalàna sy ara-drariny na tsia ny ataon’izy na manararaotra sy maka tombony mihoapampana ry zareo. Nilaza moa ireo mpivarotra ireo fa tsy tokony ho hentitra be tahaka izany amin’ny fanaraha-maso na ny fampiasana ny facture ny fanjakana satria mbola firenena sahirana sy mahantra i Madagasikara no sady mbola ao anatin’ny vanim-potoana tetezamita ihany koa. Samy manana ny filazany sy ny fahitany ity tranga ity moa ny rehetra.

Ny tsy aritra amin’ilay izy ary hitan’ny maro fa mitombina dia ny hoe : tena misy mpivarotra na mpambongady io na mpaninjara tia tena loatra ka mampitombo tsotra izao ny vidin’entana. Tena tsy rariny intsony satria fanararaotana tsotra izao no ataon’izy ireo. Na efa «stock» aza no amidiny dia lazainy fa hoe entana vao nalaina omaly ka efa nisondrotra ny vidiny sy ny saran-dalana. Ka mba hialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana dia ilaina ampiharina ihany ilay fanaovana «facture», amin’izay afaka manao ny asany tsara ny mpanara-maso avy amin’ny ministeran’ny varotra fa tsy hanatanteraka teny midina fotsiny. Mazava koa amin’izay hoe iza marina no tena mampiakatra io vidin’entana io, ary inona no antony ?

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT