Herinandro mahery kely sisa dia haneho ny safidiny amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika tiany hitondra azy amin’ireo kandida 33 mifaninana ny olom-pirenena Malagasy.
Ankehitriny dia efa miroso amin’ny fanentanana sy fanoroana ireo mpifidy amin’ny fomba fampiasana ny bileta tokana ireo sehatra voatondro fa manana anjara andraikitra amin’izany dia ny rantsamangaikan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana manerana ny Nosy, ny fikambanan’ireo fiarahamonim-pirenena ary ireo kandida miaraka amin’ireo mpanohana azy avy. Ny zava-misy aloha dia tena sarotra ny fanamby satria sady fohy ny fotoana fanatanterahana izany no tsy mitovy ny fomba fampianarana entin’ireo sokajy telo mampita izany. Tsy mitovy rahateo ny tanjona satria ho an’ireo solontenan’ireo kandida izay mitsidika isan-tokantrano, ohatra, dia ny fandresena no laharam-pahamehana amin’izy ireo. Tsy mahagaga raha efa misy marika avy hatrany eo amin’ny faritra mifanandrify amin’ny toerana misy ny olona izay tohanany ao amin’ny bileta tokana ary zaraina avy hatrany amin’ireo olom-pirenena izay tsidihany, raha ny fanazavan’ireo izay efa nolalovan’ireto firehana politika ireto. Momba ireo bileta tokana fampianarana indray dia maro no milaza fa mitovy tsy misy valaka amin’ireo harotsaka any amin’ny vata fandatsaham-bato mangarahara no entin’ireo mpamita iraka politika amin’izany. Ny fanontaniana mipetraka ary dia ny hoe amin’ny fomba ahoana no nahazoan’ireo mpirotsaka hofidiana sy ireo mpanohana azy ireo vato natokana hampiasaina mandritra ny fifidianana ireo raha mitombina tokoa ny voalazan’ireo olom-pirenena notsidihan’izy ireo ?
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.