Nosokajian’ny Coface «C» ny fampiasam-bola eto Madagasikara ny taona 2015. Nivarina any amin’ny sokajy «D» kosa ny firenena Malagasy amin’izao taona 2016 izao.
Antony voalohany nahatonga io fihemorana io ny tontolo politika tsy mbola tena milamina eto amintsika toy fitombon’ireo hetsika fitakiana, araka ny fanazavana. Voaresaka manokana ihany koa ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana. Maro anefa ireo sehatra ahafahana manainga ny harinkarena Malagasy amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny trano fiantohana vahiny nanao ny fanadihadiana. Azo tanisaina amin’izany ohatra ny fiverenan’ny fanondranana lamba sy akanjo eo amin’ny tsena Agoa. Torak’izany ny fitaterana sy ny fizahantany izay miantoka ny 55%n’ny vokatra faobe anatiny. Eo ihany koa ny firoborobon’ny fitrandrahana solika miaraka amin’ny fanatontosana ireo tetikasa fotodrafitrasa nihantona hatramin’ny nisian’ny krizy ny taona 2009. Hisy rahateo moa ny adihevitra karakarain’ny Vondrona eoropeanina ao anatin’ny fanamarihana ny «herinandron’i Eoropa» mikasika ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola sy ny varotra eto Madagasikara anio zoma.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.