Actualités

Fampianarana Mifantoka amin’ny fiatrehana ny fanadinana ireo sekoly


  • Zoma 10 Jona 2016

Efa betsaka ireo sekoly miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fanadinam-panjakana amin’izao ankatoky ny famaranana ny telo volana fahatelo izao.

Anisan’ireny ny sekoly IEF Aceem etsy Andravoahangy. Efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana rehetra amin’izao fotoana izao ary efa saika manao famerenana sisa ny ankamaroan’ny mpianatra. Araka ny fanazavan-dRasolonaivo Mamy, sekretera jeneralin’ny sekoly dia tsy vitan’ny fikatonana anaty rindrin’efatra ny fanabeazana fa ilaina ihany koa ny fampialana voly sy famalifaliana ny mpianatra. Tanteraka soa aman-tsara omaly ny hetsika mifandraika amin’izany nokarakarain’izy ireo. Sahobin’ny IEF no anarana nampitondrainy ny hetsika izay efa fanaon’ny sekoly isan-taona.  Nisy ny fifanentanana izay tovolahy tsara tarehy sy bikana  ao amin’ny sekoly, hitondra ny faneva mandritra ny taom-pianarana ho avy indray narahin’ny fifanentanana ireo tovovavy tsara tarehy ihany koa hitondra ny lazan’ny sekoly. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny dihy maro isan-karazany sy ny haiady niangalian’ireo tovolahy kely. Notronin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny lanonana, natao tetsy Antanimena.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT