Actualités

Fampianarana ambony Tezitra mafy amin’ny minisitra ny Seces


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Manamarika ity herinandro ity ny firehetan’ny afo amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny fampianarana ambony.

 Nivoitra tamin’ny fivoriambe notontosain’ny sampan’ny Seces Antananarivo omaly ny fitakiany ny fanatontosan’ny ministeran’ny fampianarana ambony ireo didim-panjakana telo mamaritra ny tombontsoany izay nohamafisina tamin’ny fifanarahan’ny roa tonta tamin’ny volana janoary lasa teo. Mahatsapa mantsy ireo mpampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana eto an-drenivohitra fa tsy voahaja ny fandoavana ireo tombontsoa ireo, indrindra ny momba ny tambin-karama amin’ny fikarohana. “Vao herinandro izao no voarainay ny fanampin’ny tambin-karama momba ny fikarohana volana jolay ka manahy izahay mpampianatra sao tsy hisy intsony io afaka iray na roa volana” hoy Rasoamiaramanana Armand, filoha nasionalin’ny Seces izay niatrika ilay fivoriambe koa. Momba ny fampianarana indray dia manahy ny mpampianatra mpikaroka fa mety tsy hipetraka ny rafi-pampianarana LMD noho ny fikasan’ny minisitra Rabesa Zafera Antoine hanafoana ny fahafahan’ny mpampianatra mpikaroka mpanampy (Assistant) feno 60 taona manohy ny asa fampianarana hatramin’ny faha-70 taonany. Ireto farany avokoa mantsy no tena miandraikitra ny fampandehanana ny fampianarana eny anivon’ny anjerimanontolo, indrindra eny anivon’ireo sekoly ambony fa ny 35%-n’ny mpampianatra ihany no “Maître de conférence” sy “Professeur”. “Manampahaizana manokana amin’ny sehatra samihafa avokoa ireo “Assistants” ireo ka raha tsy avela hiasa izy ireo dia tsy hisy mpampianatra any amin’ireo sekoly ambony, izany hoe voasakana koa ny fampidirana ny LMD”, raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Seces.

Nanamafy kosa ny sampana Antananarivo fa miteraka fikorontanana io fanapahan-kevitry ny minisitra io. Teboka fahatelo mahatezitra ny Seces amin’ny minisitra koa ny fanesorany ny “franchise universitaire” teny Vontovorona ka nidiran’ny miaramila tao amin’ny faritry ny oniversite. Ny filohan’ny oniversite ihany anefa no manana io fahehana io. Eo anatrehan’ireo raharaha mafana ireo dia mandrahona ny handray fepetra hentitra ny ny Seces, araka ilay fanambarana ihany, raha tsy tanteraka ny fanomezana ny fifanarahana sy miverina amin’ny heviny ny minisitra momba ilay fanafoanana ny fahafahan’ny mpampianatra mpanampy manohy ny asany hatramin’ny faha-70 taonany.

 

Yves

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT