Actualités

Fampianarana ambony sy fikarohana siantifika Matipaika ny tetikasa famahana olana


  • Zoma 30 Martsa 2012

Azo lazaina fa nanao ezaka ny ministeran'ny fampianarana ambony tamin'ny famahana ny olana teo amin'ny SECES sy ny mpianatra.

 Efa fantatra mantsy izao fa niverina nandray ny fampianarana ireo oniversite sasany ary inoana fa hanohy izany ireo hafa tsy mbola nanao. Raha ny nambaran'ny Talen'ny kabinetran'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Rakotoarison Jean Jacques, dia efa manomboka mamory ny filankevitra siantifika sy mamoaka ny tetiandrom-pampianarana ireo oniversite sasantsasany. Mbola hisy anefa ny fanatanterahana ny fijerena akaiky ny olana misy satria hita fa tena marary ny fampianarana ambaratonga ambony ka mila fanafody handresena izany. Karazana fakan-kevitra ahafahana manangona tahirin-kevitra mba hisorohana ny fiverimberenan'ny olana tahaka izao mitranga izao no atao, izay miainga any ifotony mihitsy mba hametrahana ny tena fanavaozana sy fanarenana. Tsy afa-misaraka amin'izany anefa ireo oniversite tsy miankina raha ny nambarany.

Efa misy ihany koa ny fihaonana amin'ireo tompon'andraikitra samihafa amin'ny tsy miankina, sy ny fijerena ireo antontan-taratasy mikasika izany. Ny fanafainganana ny "habilitation" hahafahan'izy ireny miroso amin'ny rafitra LMD no tanjona mba hitovian'ny lentan'ny diplaoma rehetra eto Madagasikara. Araka izany dia tokony hanatsahatra ireo dokambarotra tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy aloha ireo oniversite tsy miankina tsy nahazo fankatoavana ara-diplaoma, satria manjary mamitaka ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny. Isaky ny telo volana no fihaonana amin'ireo oniversite tsy miankina ireo raha ny nambaran-dRakotoarison Jean Jacques, mba hanarenana ny lesoka ankehitriny. Mikasika ny sehatry fikarohana kosa, dia ny fanamboarana haingana sy ny fanitsiana ny sata mifehy izany no mila ilofosana mafy. Ezahana, hoy ny nambarany ny hametrahana ny politikam-pirenena mikasika io fikarohana io, mba tena hisy fiantraikany tokoa amin'ny fiainam-bahoaka.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT