Nisy fampiantsoana fivoriambe natao ho an’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly ambony polytechnique Vontovorona omaly maraina, ary dia tonga maro tokoa izy ireo.
Ny solontenan’ny mpampianatra sy ireo tompon’andraikitra eny an-toerana moa no nitarika ity fihaonambe iity. Tsy dia nisy ny zavatra tena nisongadina fa dia tsy mbola mazava izany hatramin’izao hoe rahoviana no hiditra hianatra ny eny Vontovorona eny ? Maro ny zavatra mahatonga izany fa ny misongadina indrindra aloha dia ny fitakian’ny mpampianatra ireo tambin-karama isan-tsokajiny, mety ho vita ihany ny asany fa eo amin’ilay «indemnité de risque» no mbola mampifanolana ny fitondram-panjakana amin’ny Seces satria raha ny fanambaran’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony hatramin’izay dia tsy mbola vitan’ny fanjakana ny hanefa io «indemnité de risque» fa dia miandry ny governemanta vaovao any amin’ny Repoblika faha-IV izany. Ireo mpampinatra kosa anefa dia manitrikitrika fa voaloa daholo ireo tambin-karama ireo vao hiverina hampianatra ara-dalàna izy ireo.
Mandeha ary ny feo fa dia mety ho avy ny fitokanana ataon’ny mpianatra eny amin’ny Polytech eny amin’ity herinandro ity ihany raha tsy mazava tsara ny daty hanombohan’ny taom-pianarana vaovao. Ho an’ny eny Ankatso kosa moa dia nisy sampam-pampianarana efa nanomboka ny fianarana tahaka ny ao amin’ny fianarana ho mpitsabo sy ny sampana lalàna, saingy tsy ireo mpampianatra tompon-toerana fa ireo «vacataire» no mampianatra amin’izany. Ny SECES Sampana Antananarivo, nivory omaly 23 mey, tao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa mahaolona, dia nanamafy fa «tsy mbola hiroso amin’ny fidirana taom-pianarana 2010-2011, raha tsy mazava ny momba ny «Indemnité de risque». Hisy atrikasa ny 25-26 mey izao, hiarahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Fanjakana, mba handinihana sy hamahana ny olana momba ny fitakian’ny SECES izay dia harahin’ny Filankevi-pirenen’ny SECES ny zoma 27 mey, handraisana fanapahan-kevitra iombonan’ny Oniversite enina momba ny fanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011». Midika izany rehetra izany fa tena mbola lalim-paka sy sarotra vahana ity olan’ny fampianarana ambaratonga ambony ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.