Fampandrosoana ny firenena

> Tsy afa-misaraka amin’ny fandriampahalemana


  • Alatsinainy 24 Febroary 2014

Tena nanjaka tanteraka ny gaboraraka sy ny tsy fandriampahalemana tao anatin’ny dimy taona tsy nisian’ny fanjakana tan-dalŕna teto Madagasikara. Gaboraraka satria tsy nahavita ireo andraikitra maha mpitondra firenena azy amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena manoloana ireo tsindry maro samihafa avy amin’ireo firenena sy fikambanana vahiny ireo nisora-tena ho lehibem-panjakana.

Gaboraraka ihany koa satria tena nibanaka araka ny fomba fitenin’ny tanora ny fitrandrahana ireo karazana harem-pirenena misy izay mampalaza ny firenena malagasy. Tsy lazaina intsony ireo fandikan-dalàna marobe nanomboka tany amin’ireo tompon’andraikitra ambony ka hatrany amin’ny olom-pirenena madinika indrindra. Zary toa lasa firenena tsy misy fanahy ny miaina eo anivon’ny fiarahamonina malagasy izay nanjakan’ireo soatoavina miavaka indrindra maneran-tany. Nanampy trotraka ireo trangan-javatra mampalahelo ireo ny firongatry ny tsy fandriampahalemana izay miseho amin’ny endriny maro toy ny fanafihana mitam-piadiana, ny sinto-mahery, ny fanendahana ary koa ny hala-botry. Anisan’ny nisongadina manokana ihany koa nandritra ny fitondrana tetezamita ary mbola mitohy ankehitriny ny fipoahana grenady na baomba vita tanana izay tsy mbola nahitana mangirana loatra ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana na dia efa nisy ihany aza ireo karazana fampitam-baovao niaraka tamin’ny fisamborana samihafa. Ny tsara homarihina anefa dia tsy mifanindran-dalana mihitsy ny asa fampandrosoana sy ny asa fampihorohoroana. Efa mipetraka tsikelikely moa ireo rafitra ara-dalàna ao anatin’ny Repoblika fahefatra ka andrasana ny tena fanapahan-kevitra mivaingana avy amin’ny filoham-pirenena izay tompon’andraikitra voalohany ihany koa amin’ny sehatry ny filaminana amin’ny maha lehibe faratampon’ny foloalindahy azy satria miainga amin’ny fahalemana ny asa fampandrosoana eo amin’ny lafiny rehetra eto amin’ny firenena.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT