Actualités

Fampandrosoana ifotony Nahazo tombony ny kaominin’Analasoa-Moramanga


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Notoloran’ny Lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro, Raminoarisoa Honoré, fitaovana enti-mamokatra mba hisian’ny fampandrosana haingana ifotony ny kaominina Analasoa any amin’ny distrikan’i Moramanga.

 

 Nentaniny koa ireo olona any an-toerana tsy an-kanavaka any amin’ity kaominina ity mba hifanome tanana hampanjakana ny tena fampandrosoana hahazoana mampanjaka ny filamatry ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Hanampy ny kaominina amin’ny filana tadiaviny ireo fitaovana natolotra ireo, araka ny fanamarihan’ity Lehiben’ny Faritra ity. Nentaniny manokana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana any amin’iny Faritra tantanany mba hanao ezaka hampitombo ny hetra miditra amin’ny toerana misy azy avy. Nampanantenainy homena  fanampiana bebe kokoa izay mahavita.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT