Tanterahina nanomboka omaly alarobia etsy amin’ny Carlton Anosy, ary haharitra hateloana ilay hetsika fitadiavana mpamatsy vola tanterahin’ireo Kaominina miisa 11 miaraka amin’Antananarivo renivohitra. Kaominina ao Atsimondrano ny fito amin’izy ireo raha avy any Avaradrano kosa ny telo ambiny. Ny Care International sy ny WSUP no nikarakara ny hetsika, no sady mpanamora ny fifandraisan’ny Kaominina amin’ireo mpamatsy vola. Ho an’ny Kaominina Ampitatafika manokana, ao anatin’ny Distrikan’Atsimondrano dia anisan’ny laharam-pahamehana ny fanamboarana ilay tohodrano ao Ampilimanga ao anatin’ny Fokontanin’Ampitatafika vaovao. Manondraka velarantany manodidina ny 480 hekitara izy io raha vita soa aman-tsara hahafahana mampitombo ny voka-bary ao anatin’ny Kaominina, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.