Nampanao fanadihadiana momba ny drafi-pampandrosoana eny ifotony niainga tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka hatramin’izao ankehitriny izao ka niezaka nandalina akaiky ireo sakana tsy mampandroso antsika araka ny fihetsika sy ny fitondran-tenan’ny mponina ny Fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana.
Nivoitra tamin’ny vokatr’ilay fanadihadiana ny anjara toerana lehibe mahasarotiny ny Malagasy ny lafiny maha olona. Raha vao tsy jerena ny maha Malagasy antsika amin’ny asa atao fa ny fomba vahiny no terena harahana dia tsy raisin’ny olona, hoy Ramaroarinosy William, Tale jeneraly misahana ny fampandrosoana nanazava ny foto-pisainana raiki-tapisaka amintsika. Anisan’ny sakana koa ny lafiny enti-manana satria ampahany kely amin’ny tetibola no mba tantanan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra fa mivangongo aty amin’ny foibe avokoa. Ambonin’izay dia tsy ny asa maharary ny mponina no atao indraindray fa izay tinapaky ny fanjakana nefa hita porofo fa tena mahomby ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny mpitantana eny ifotony rehefa ampandraisina anjara amin’ny famolavolana ireo tetikasa samihafa mahakasika azy ny valalabemandry. “Indraindray aza dia tsy mahatsiaro tena ho tompon’ny volam-panjakana tazonina avy aty amin’ny foibe akory ny vahoaka sy ny mpitantana any lavitra any”, araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly ihany. Farany dia manipy teny amin’ny vahoaka tsy ankanavaka ity farany mba hahay hisafidy ny olona mendrika ny ho mpitondra sao mpiana-draharaha vao mainka hamotika indray no tonga amin’ny fitantanan-draharaha ka sasatry ny miarina isaky ny miova fitondrana isika.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.