Mirongatra ny asan-dahalo ao Bongolava ao amin’izao fotoana. Ny tapany atsimon’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy no tena faritra mena.
Belobaka, Bemahatazana, Miandrarivo, Fierenana no lasibatra matetika. Avy any amin’ny tanàna antsoina hoe Betamenaka, Distrikan’i Miandrivazo no fiavian’ireo malaso izay mandeha andiany 20 na 30 lahy araka ny fanadihadiana. Miara-miasa amin’ny fanenjehana azy ireo ny zandary ao Tsiroanomandidy sy Miandrivazo. “Rehefa niantso vonjy amin’ny mpitondra foibe izahay dia raikitra nanomboka ny 05 jolay teo ny hetsika fampandrian-tany lehibe amin’ny faritra mampifandray amin’i Miandrivazo”, hoy ny lehiben’ny Faritra Vorisoa Hajaniaina Tafita. Miaramila 20 lahy no nalefa ao Belobaka hanampy ny zandary raha misy koa ny fanomezana fiara roa. Ao koa ny fampiasana ny helikôptera “Alouette 2” iray manome vaovao ireo mpitandro filaminana mandeha an-tongotra manao fanarahan-dia ny sidina ataony sady mitondra ny vatsy koa. “Tena misy vokany tsara ny fampiasana io helikôptera io satria manome herim-po ireo zandary manenjika dahalo ny fisiany no mampihemotra ireo malaso koa”, hoy ny kolonely Rakotobe Christian, Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Bongolava. Tao anatin’ny roa andro nisian’ny hetsika goavana izay dia asan-dahalo 10 no niseho, malaso 15 no voasambotra ary omby 400 mahery no tafaverina. Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fiafaran’ity hetsika ity amin’ny 20 jolay izao ny zandary ao Bongolava.
Aorian’ny fahataperan’ireny hetsika ireny matetika vao manao ny asa ratsiny ny malaso raha miakatra an-drenivohitra miaina tahaka ny olon-tsotra rehetra izy ireo mandritra ny fanatontosana izany, araka ny fanazavan’ny kolonely Rakotobe Christian. Nomarihan’ity manamboninahitra lehiben’ny Emmo-Reg ao Bongolava ity koa fa lasa miteraka horohoro ho an’ny mponina mihitsy ny tsy fandriampahalemana satria fanafihana roa amin’ny antso fampandrenesana dimy no tena misy. Na olona mandalo eny an-tsaha aza dia efa ahiahin’ny tantsaha, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.