Actualités

Fampanantenana no betsaka Mbola lavitr’ezaka ny vahaolan’ny delestazy


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Enim-bolana mahery izay no nilazan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 10 janoary 2022 tany Andekaleka, fa mila manam-paharetana ny vahoaka, afaka 6 hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy.

Mbola rakotra delestazy ny firenena, ary vao mainka aza loza ny hamafiny. Tsy hita izay tena olana nivaha tao anatin’izay enim-bolana izay fa fampanatenana lava, fitanisana olana, fitadiavana izay hanilihana ny rihitra, ary mbola misy fampalazana tena aza no hita. Avy ny orana lazaina fa simba ny “turbine” noho ny habetsaky ny rano, lohantaona lazaina fa tsy ampy ny famokarana satria tsy ampy ny rano, ririnina lazaina nahozongozon’ny rivotra ny tariby ka mikorontana ny famatsiana,… Isan’ny miharihary anefa ny tsy fahaiza-mitantana, tsy nomen’ny olona solika noho ny trosabe an’arivony miliara Ar tsy voaloa. Ny tapaky ny volana jona tany Ambovombe taorian’ilay izy tratry ny delestazy tetsy amin’ny CCI Ivato, nilaza fa handray andraikitra ny Filoha rehefa tsy handray ny Filoha rehefa tsy handray ny andraikiny ny minisitry ny Angovo sy ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Iny indray tany Mandoto ny 15 jolay teo, nilazana fa ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra kanefa tsizarizary, ka manomboka izao dia ny 89% indray no hojerena satria mankarary fo ny Jirama, ka ny vahoaka indray no homena “subvention”. Tsy voafehy ny resaka antontan’isa teo satria raha 85% no tokony hotenenina dia lasa 89% tahaka ilay hoe: 13+6=18 ihany saingy tsy atao mahagaga intsony moa ireny karazana teniteny foana ireny. Tsy maintsy hahazo jiro ny 50% amin’ny Malagasy, hoy ny fampanantenana. Ny eo tsy voavaha, ny fampanatenana mitosaka ihany. Tetsy ankilany, nahiliky ny Jirama any amin’ny mpanjifa avy eo ny rihitry ny tsy fahombiazana fa ny 30% tsy mahaloa faktiora sy mangalatra herinaratra, izay mahatratra 310 miliara Ar raha hatambatra. Ny Fanjakana etsy andaniny mahatratra 375 miliara Ar ny voalaza fa faktiora tsy voaloa, izany hoe: mety mihoatra na mifanahantsahana amin’ny fanampiana na “subvention” isan-taona fanome ny Jirama satria tamin’ity vao nakarina ho 500 miliara Ar. Midika izany, fa tsy misy tombony ho an’ny vahoaka velively ny “subvention” raha raisina amin’izany satria toa mifanahantsahana amin’ny trosa tsy aloan’ny Fanjakana ihany. Tsiahivina hatrany aty am-parany fa nampanantena 400MW i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy. Nohambaniany ireo nitondra tao anatin’ny 60 taona fa 400MW ny fitambaran’ny vitan’ireo. Aiza izany izao fa toa tsy hita? Ny zavatra mandeha amin’izao mbola ny an’ny tsy miankina no hireharehana!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT