Actualités

Fampahalalam-baovao Mihamafy orina ny fiaraha-miasan’ny ANTA sy ny Xinhua


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Tonga nitsidika ny Agence Nationale Taratra na ANTA etsy Ambohidahy omaly ny delegasiona sinoa, tarihin’Atoa He Ping, tonian-dahatsoratry ny Xinhua mitovy laharana amin’ny minisitra any amin-dry zareo.

 Ankoatra ny fijerena akaiky ny toerana misy ny ANTA sy ny mombamomba azy dia nisy ihany koa ny fanoloran’izy ireo fitaovana valin’ny fangatahana nataon’ny ANTA tamin’ny Agence Chine Nouvelle izay lasa Xinhua News Agency ankehitriny. Ny taona 1975 raha tsiahivina no efa niara-niasa ny roa tonta. Vao mainka nihanahazo vahana izany tamin’ny taona 1985, araka ny fanazavan-dRakotomaharo Ruffin, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny ANTA. Ny volana jona 2012 lasa teo dia nitohy tamin’ny fanavaozana ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa indray izany raha ny lafiny vaovao kosa no tena hifotoran’izany manomboka izao, araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity ihany.

Lohalaharana amin’izany ny fanatevenana ny fitaovana rehetra ao amin’ny ANTA ankoatra ny fanampiana ity ivontoerana iray ity amin’ny fandraketana amin’ny haitao vaovao ny sary ataony. Efa mihasimba avokoa mantsy ireo sary ananany hapetraka ao amin’ny Arsiva ka ilana fikarakara manokana. Ny tanjona moa dia ny hahatonga ny ANTA ho lasa loharanom-baovao eto amintsika. Tsara ny manamarika fa efa 50 taona izao no nisian’ny ANTA. Manangona sary sy vaovao no tena asany ary afaka manome sy manaparitaka izany ho an’ireo mila azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT