Actualités

Famotsiam-bola Sekta roa no arahi-maso


  • Talata 23 Aogositra 2011

Misy eto amintsika tokoa ny famotsiam-bola ka ireny fikambanana tsy fantam-pototra ireny no tena matetika ironan’ny vola maloto.

 Saingy tato ho ato kosa dia ny sekta indray no tena arahi-maso, asa na noho ny firoboroboan’ireo faran’izay haingana angamba. Raha ny fantatra dia sekta roa izay matetika voatonontonona noho ny lazany no mety hadihadian’ny sampana miady amin’ny famotsiam-bola. Tsy mbola nisy ny fanazavana ôfisialy momba izany satria misy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana izay tsy maintsy tandroavan’ny manam-pahaizana momba izany. Saingy na izany aza dia efa niteraka resa-be ny momba azy ireo.

Mampanontany tena tokoa mantsy ary manomboka manintona ny sain’ny maro raha ny hoe ampahafolon-karenan’ny mpino ao aminy, izay tsy mbola tena maro akory aza, no hahafahan’ireo fiangonana mivelona sy mihodina tsara ary tena miroborobo mihitsy aza. Efa nisy ihany ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpitandrina eo anivon’ny fiangonana zandriny na sekta iray fa tsy mahakasika azy ireo velively raha ny famotsiam-bola satria ampy dia ampy hiveloman’ny fiangonana ny rakitra. Na izany aza anefa raha ny tetik’asa izay apetrany sy ny hatsaran’ny fitaovana izay vidiany dia nanaitra ihany ny mety ho fahamarinan’izany.

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT