Fitarainana miisa 170 izay ahiahiana fa misy famotsiam-bola no voarain’ny SAMIFIN, sampana miady amin’ny famotsiam-bola, amin’ireo sampandraharaha miara-miasa aminy tao anatin’ny telo taona nijoroany.
Tamin’ny taona 2010 no tena betsaka indrindra ny fitarainana voarainy izay nahatratra 93 be izao ka avy eto Analamanga avokoa ny 60. Ny banky no tena mpanome vaovao sy tatitra ny SAMIFIN momba ny fiavian’ny vola tsy mazava loatra. Mahakasika ny fanaovana fanambarana hosoka amin’ny fanondranana entana, famoahana sy fitazonana vola vahiny tsy ara-dalàna, fanaovana kolikoly, fahazoana volabe matetika nefa tsy misy fanamarinana ary koa fitsoahana haban-tseranana sy ny hetra ireo raharaha ireo. Na izany aza dia mitana ny lohalarahana ny resaka andramena. Anisan’ny raharaha goavana tamin’ny taon-dasa ny fisolokiana bevava mitentina 200 miliara ariary izay nahavoa orinasa mpanao taotrano sy asa vaventy an-jatony.
Ao koa ny fikambanana miankina amin’ny finoana iray izay nahazo fanampiana tsy averina mitentina 1500 tapitrisa dolara avy amin’ny orinasa any ivelany izay manana kaonty any amin’ny banky Soisa nefa tsy voazavan’ny tomponandraikitr’ilay fikambanana akory ny antony nahazoany io vola io. Mahatratra 530 miliara ariary ny totalin’ny vola mihodina ahiana ho maloto amin’ireo raharaha 170 ireo ka ny antsasamanilany dia amin’ny sehatry ny andramena avokoa, hoy Razaranaina Jean Claude, Tale jeneralin’ny SAMIFIN. Efa vita fanadihadiana ny 76 amin’ireo raha 36 kosa no nalefa eny anivon’ny fitsarana. Raharaha 2 monja ihany anefa no efa vita fitsarana araka ny fampitam-baovao azon’ny SAMIFIN.
«Sarotra ny manaraka ny dosie nalefa any amin’ny fitsarana noho ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa momba izay amin’ny roa tonta ka ezahana indrindra ny hamolavola fifanarahana”. Ankoatra izay dia saropady ny resaka famotsiam-bola izay voasokajy ho heloka bevava ka mila fahamalinana fanadihadiana lalina vao miroso amin’ny fitsarana azy araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny SAMIFIN hatrany. Vato misakana amin’ny fitilian’ny SAMIFIN ny famotsiam-bola avy any ivelany koa ny fandavan’ny sampandraharaha misahana ny famotsiam-bola vahiny sasany tsy hanome vaovao ny SAMIFIN noho ity farany tsy mbola mpikambana ao amin’ny EGMONT izay fikambanamben’ny sampandraharaha eran-tany. Miandry ny fankatoavan’ny parlemanta ny lalàna momba ny fampihorohoroana ny SAMIFIN vao mahazo ny fiaraha-miasa feno amin’ny EGMONT.
Yves
sary : Razaranaina Jean Claude, Tale jeneralin’ny SAMIFIN
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.