Tsy ny mpikambana CST sady olon’ny ankolafy Ravalomanana, Rtoa Naike Eliane ihany no sahy nilaza fa namoronana dosie izy mba hahafahana manameloka azy eny amin’ny fitsaranam fa Atoa Honoré Rakotomanana, mpitsara efa filohan’ny HCC dia efa nanambara koa fa mahatsikaritra famoronana dosie mba hahafahana manenjika olona eny amin’ny fitsarana.
Heverina fa olon-dehibe mahafantatra tsara ny zavatra teneniny izy mianadahy ireo, izay efa samy Senatera ihany koa, ka tsy hamorona na sanatria hiteniteny foana. Midika izany fa tena misy io famoronana dosie io, ary manaiky izany ny ao amin’ny fitsarana matoa manatanteraka ny famoahana didy. Ambara foana anefa fa hoe fitsarana mahaleotena no misy eto, ary saropiaro ery ny sendikan’ny mpitsara amin’izany, izay rariny tokoa satria tokony ho fialofan’ny osa sy marefo ny fitsarana ary antoky ny tany tan-dalàna. Ankehitriny anefa dia mahagaga fa mangina manoloana io resaka famoronana dosie hiampangana olona eny amin’ny fitsarana io ny SMM. Tsy hisy fitoniana izany mihitsy anefa eto raha olona tsy nanao na inona na inona no melohin’ny fitsarana tampotampoka eo noho ny loko politikany. Ahoana kosa moa no hanekena fa dia olon-dratsy daholo, ohatra izay lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, ka raha tsy mpanapoaka baomba dia mpiketrika fanonganam-panjakana sy fifofoana ny ain’ny filohan’ny tetezamita. Dia mba tena mitombina ve izany ?
Etsy ankilan’izay dia milaza azy fa olom-baovao, hitondra ny tena fanovana ary madio ireo mpanao politika manohana an’i Andry Rajoelina. Moa va mitombina tanteraka izany ? Raha samy hotsaraina ny nanongam-panjakana, nahoana no tsy averina jerena ny zava-nitranga tamin’ny 17 martsa 2009, fa afenina foana ao ambadiky ny hoe : hetsi-bahoaka ? Mahagaga ihany hoe nahoana ny hafa no hamoronana dosie, fa ny efa manana dosie tsy mba dinihana ? Misavovona ny fitarainana eny amin’ny Bianco momba ny resaka kolikoly, hoy ny CST Adolphe Ramasy, ka nahoana no tsy miainga ny fanadihadiana maro be, fa miandry inona ? Misimisy ihany ny anarana mpitondra ao anatin’ny tetezamita sy mpandraharaha voatonona amina raharaha tsy dia mazava loatra, saingy toa mangingina ny fanadihadiana, fa rehefa olon’ny ankolafy tsy dia akaikin’i Andry Rajoelina kosa, avy hatrany dia mihazakazaka ny fanenjehana sy ny fanaparitahana ny vaovao. Dia misy mahay mamorona sy mikirakira dosie marina eto ka !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.