Famoriam-bahoaka

> Diso kajy ny komitim-panavotam-pirenena


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

Tanteraka ihany ny famoriam-bahoaka nataon’ny Komitim-panavotam-pirenena KPM tetsy Antsahamanitra omaly. Afaka nanao fanehoan-kevitra malalaka ireo mpanao politika mandritra ity hetsika ity. Nivezivezy teny an-toerana ihany anefa ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg.

Hita ho diso kajy ihany anefa ry zareo tsy nanao ity hetsika ity androany sabotsy 10 aogositra satria vitsy ny olona namaly ny antso omaly. Tahotry ny fampiasan-kery hataon’ny FAT tahaka izay nahazo an’i Laza Razafiairison no antony araka ny fanazavan’ny CST Andriamaholison Jules. Tsy kivy ny KPM na izany aza fa raisin’izy ireo ho tombony amin’ny fanomanana ny hetsika goavana eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy 17 aogositra izany. «Tsy maintsy faranana ity fanjakana tsy tan-dalàna ity, hametrahana fanjakana tan-dalàna vonjimaika hikarakara fifidianana ary lalana hahatongavana amin’izany izao fanehoan-kevitra ankalamanjana izao», hoy hatrany ny Dr Andriamaholison Jules. Nanamafy kosa i Joseph Yoland fa ny tomponandraiki-panjakana mitapi-maso amin’ny fahasahiranam-bahoaka no tena olana nefa izany indrindra no ataon’ny FAT. Nanolotra volavolan-dalàna manova tanteraka ny rafitra ara-toekarena ny tenany ary efa nomeny an-tanana ny filohan’ny FAT sy ny minisitry ny tetibola izy io. Fandroahana azy tsy ho mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita anefa no sandany. Amin’i Joseph Yoland dia tsy te handinika ny fahoriam-bahoaka mihitsy ny FAT ary tsy misy alahelo toerana velively kosa no antony ihetsehan’izy ireo.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT