Famoriam-bahoaka an-dalambe

> Tsy misy hevitra raha tsy misy fahazoan-dalana


  • Alarobia 21 Aogositra 2013

Tsy hilefitra mihitsy ny mpitandro ny filaminana.

Nanambara ny kolonely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny Emmo-Reg Analamanga omaly fa tsy hamela ny fanaovana fihetsiketsehana an-dalambe mihitsy ry zareo raha toa ka tsy nahazoana alalana izany. “Tsy misy hevitra mihitsy izany”, hoy izy. Marihina fa nidina teny Ambohijatovo ny tenany omaly nandrindra ny asan’ireo mpitandro ny filaminana ambany fifehezany hitandro ny fandriampahalemana eo anatrehan’ny famoriam-bahoaka saika hataon’ny ankolafy Ravalomanana teny an-toerana. Araka ny fanazavan’ny kolonely Rakotomahanina Florens dia niantso azy an-telefona ny filohan’ny Kongresy Rakotoarivelo Mamy ka nangataka taminy mba hiambenana ny vahoaka tsy hanatona azy mandritra ny fotoana iresahany amin’ny mpanao gazety eo anoloan’ny vavahady. “Tsy nanaiky izany anefa ny tenako satria sarotra ny hamehy ny vahoaka”, hoy hatrany ny lehiben’ny Emmo-Reg. Dia tsy tonga teny an-toerana tokoa moa ny filohan’ny Kongresy. Nanome antoka ny mpanala fanadinana bakalorea sy ireo ray aman-dreny miahiahy noho ny mety hisian’ny korontana koa ny kolonely Florens ka nilaza fa voafehin’ny mpitandro ny filaminana ny zava-drehetra.

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT