Actualités

Famononoana tovovavy 26 taona Kaomorianina iray nidoboka eny Antanimora


  • Zoma 16 Aprily 2021

Tovovavy iray antsoina hoe : Dinamalala izay vao 26 taona monja no maty novonoin’ny sakaizany ny volana Febroary lasa teo tany Carion.

 

 

 

Tao Betampona Carion no nitrangan’izany ka ny vatana mangatsiakan’ity tovovavy ity sisa no hita. Noho ny ezaka nataon'ny zandary ao amin'ny « poste avancé » any an-toerana dia, voasambotra ny alahady 12 aprily teo, teny Mahamasina, ny tovolahy iray teratany Kaomorianina antsoina hoe : Ainour Mohamed Djamalidine izay naman’ny sakaizan’ity tovovavy ity. Ity farany kosa dia efa voasambotra andro vitsy taorian'ny nahitana ny razana ka izy indray avy eo no nanoro ity kaomorianina ity. Raha ny fantatra moa dia tompon’andraikitra amina "salle de musculation" iray, ao amin'ny Gymnase Mahamasina ity teratany vahiny ity. Tamin'ny famotorana natao azy dia tsy niaiky mihitsy izy fa nandray anjara tamin'ny famonoana an'ilay tovovavy. Voamarina ihany koa fa nisy namany roalahy nanao saron-tava niara-nanatanteraka io heloka bevava io taminy. Na izany aza, tsy nety nanoro ireo roalahy ireo izy. Niatrika fampanoavana ny talata teo i Ainour ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Resa-pitiavana moa no nahatonga ity vono olona mahatsiravina ity. Teny Antanimena no nahitana an'i Dinamalala farany ary tao amina trano haolo iray, anaty alaala, teny Betampona Carion izy no hita efatra andro taty aoriana. Efa somary simba ny razana nandritra izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT