Actualités

Famonoana zandary, fanoherana Fanjakana Tafiakatra 18 ny voasambotra tany Besakay


  • Talata 26 Janoary 2021

Tafiakatra 18 no efa voasambotra, voarohirohy tamin’ilay raharaha nahafatesana

 

 

 

 

zandary nisambotra olona 2 voasaringotra tamina famotehana ala noho ny fanaovana tavy sy tevy ala tany Mandanivatsy Tanambao Besakay Faritra Alaotra ny 20 janoary teo. Ankoatra ny zandary mary, dia olona 2 avy amin’ny fokonolona ihany koa lavo satria nitifitra niaro tena ny zandary iray. Anisan’ireo voasambotra ilay vehivavy nanaparitaka ny sarin'ireo mpiasam-panjakana tamin'ny Tambazotra serasera, izay nisiana fampandohaliana zandary sy lehiben’ny ala. Maro tamin’ireo olona teo an-tànana ihany koa no nitsoaka sy ny nifindra toerana, ka mbola karohina amin’izao fotoana izao. Fepetra sy toromarika hentitra no napetraky ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy Ramatoa Minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy ary ny Jeneraly Komandin'ny Zandarimariam-pirenena; raha fintinina dia hoe "Tolérance zéro": tsy asiana fandeferana na indrafo ny fampiharana ny tany tan-dalàna manoloana ny loza nataon'ireo fahavalom-pirenena mamono olona sy manapotika ny tontolo iainana. Hisy araka izany ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny Ministeran'ny Fitsarana, hoy ny fampitam-baovao.

SAO DIA MBA MISY MIZANA TSINDRIAN’ILA ?

 Mendrika hizaka ny sazy sahaza azy ny mpandika lalàna, ny mpamono olona, ny mpitarika ny olom-pirenena hanohitra ny lalàna sy fahefam-panjakana. Na izany na tsy izany, misy lafin-javatra maro mila jerena, fa ny vy tsy mikitrana irery, hoy ny fitenintsika Malagasy. Tokony hanitatra sy hanao fanadihadiana lalina ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, fa tsy ny resaka tavy sy tevy ala ihany ny famotehana mandeha. Misy toerana ao amin’iny faritra Alaotra iny mandeha ny famotehana ala, fitaomana hazo mila ho isan’andro. Raha olon-tsotra no mandalo mitondra hazo na fanaka efa voarafitra iray dia voasakana, fa ny aferana hazo antsoin’ny olona hoe “drodraka” amin’ny kamio sy “tracteur” mandeha ho azy, izay ahafaha-milaza fa misy ny kopaka isasahana eo amin’ny mpiasan’ny tontolo iainana, eny fa hatramin’ny Minisitera aza mety ho misy olona mpiray tendro matoa mandeha ho azy ny afera. Tsy hoe manome rariny ny olona fa eo no mety ahatsapan’ireo mahatsiaro ho madinika hoe: sao dia mba diso tafahoatra ny mizana tsindrian’ila ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT