Actualités

Famonoana omby sy fanaovana kolikoly Olona 4 no nosamborina teny Ambohidratrimo


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Tambazotran-jiolahy iray fantatra fa mpamono omby vavy an-tsokosoko ao

 

 

Antohidava fokontany Manjaka/Est kaominina Ampangabe distrikan’ Ambohidratrimo no tratra ny faran’ny herinandro teo. Miisa 4 izy ireo izay notarihin’i Dezy, ity farany izay mbola nahatrarana ombivavy kasainy hovonoina nifatotra teo an-tokontaniny. Raha tsiahivina anefa dia voarara ny famonoana omby vavy raha tsy misy antony manokana. Nandritra ny famotorana dia nisy havana akaikin’i Dezy tonga nanantona ny Cdt CIE Ambohidratrimo nitondra vola hatao kolikoly mba ho sandan'ny hamotsorana azy sy handravonana ny raharaha. Tsy nanaiky izany anefa ilay manam-boninahitra zandary ka nanao tatitra tany amin’ny lehibeny. Tsy vitan'izay anefa fa mbola tonga nanantona ny Kolonely lehiben’ny vondro-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena indray ireo olona telo voalaza etsy ambony nitondra vola 7.000.000 ariary hanaovana kolikoly ny sabotsy 12 desambra teo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ity manam-boninahitra ambony ity ka nanokatra famotorana hanenjehana mikasika ireo olona telo nanao kolikoly mivantana (corruption active) ireo rehefa avy nampandre ny Tonian'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Naiditra am-ponja ireo olona telo ary nogiazana ny vola 7 tapitrisa ariary hatao porofo. Natolotra ny ivon-toerana fitaizàna zaza arenina ao Anosiala Ambohidratrimo ireo henan'ombivavy novonoina rehefa avy notsirihan'ny mpitsabo biby.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT