Famonoana ny tompon’ny «La Terrasse Hotel» Vohiparara

> Jiolahy 7 tamin’ireo 16 voasambotry ny Zandary


  • Zoma 30 Aogositra 2013

Nahitam-bokany ny ezaky ny mpitandro filaminana noho ny fanomezam-baovao avy tamin’olona tsara sitrapo.

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Ranomafana ny sabotsy lasa teo ny fito tamin’ireo jiolahy voalaza fa nanafika tao amin’ny «La Terrasse Hôtel» Vohiparara 13 km tsy hahatongavana ao Ranomafana, Distrikan’Ifanadiana, ny alin’ny 8 jolay tamin'ny 10 ora sy sasany alina, ka namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny tompon’ity hotely ity na dia niala-nenina notsaboina aza. Tsiahivina fa tokantrano roa tao Vohiparara no niharan’ny fanafihana tamin’io alina io. Ny iray nahazoan’ireo jiolahy vola valo hetsy Ariary sy finday ary firavaka volamena maromaro. Rehefa vitan'izy ireo ny asa ratsiny tao dia nifindra indray tao amin'ny "La Terrasse Hôtel" izy ireo, ka nandroba sy nitifitra ny tompon'ny hotely. Vola hatrany amin'ny telo tapitrisa Ariary mahery no lasan'ireo jiolahy.

Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tao amin’ny tanànan'Andranomakoko, 6 km miala an'i Vohiparara hihazo an'Ambohimahasoa amin'ny RN 25 iny no nahatrarana an’ireto bandy ireto. Mbola io loharanom-baovao io ihany koa no nilaza fa mpikaramanady nirahina namono ilay tompon’ny hotely ny roa tamin’ireo ka basy poleta sy basy lava vita gasy roa no nentin’ireo mersenera nanafika ka nitifirana ny tompon'ny «La Terrasse Hôtel». Jiolahy efatra no voasambotra voalohany ny zoma 12 jolay raha iny niandry taksibrosy hihazo an’i Manakara dia niampy an’ireto fito vao tratra ireto. Mbola misy dimy lahy miriaria any mbola karohina amin’izao.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT