Actualités

Famonoana ny Dr Laivao Olona 06 no nikotrika azy ka vehivavy ny 02


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Omaly alahady 10 aprily no nalevina tao amin’ny fasam-bahiny Anjoma Toamasina, ny nofo mangatsiakan’i Tompokolahy Dr Laivao Michel Victori, izay nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny talata 05 aprily, raha avy nangalatra ny fiara 4x4 Mitsubishi Sportero L200 ireo jiolahy.

Nialoha ny nandevenana azy izao anefa dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra azy noho ny asa vitany sy ny asa soa nataony, nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina I, Razafindrabary Toalina, natrehin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain, ka nanolorana azy ny «chevalier de l’ordre national» izay hany tokana azony hatramin’izay. Raha hiverenana ny raharaha «Laivao» dia fantatra izao fa enina mianadahy no nikotrika ka nahavanona iny famonoana iny, ka vehivavy ny roa tamin’izany. Lehilahy roa no efa voasambotra, tao anatin’ilay fiara Golf manga nanara-dia ireo olona tao anatin’ilay fiara 4x4 Mitsubishi avy nangalarina tamin’ny RN2 izy ireo. Tsy mbola mitsotra sy milaza ho mpiray antoka tamin’ity raharaha «Laivao» ity izy roalahy voasambotra ireto, saingy fantatra, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana, fa misy tsy mazava amin’izy ireo.

Araka ny fantatra dia nahitana antso mampiahiahy maro tao anatin’ny findain’ilay iray tamin’izy ireo, ary zavatra samihafa no ambaran’izy roalahy nefa iray lalana. Heno koa aza izao araka ny resaka an-dalantsara fa toa efa misy miaro sahady izy roalahy voasambotra ireto, na mbola mandeha aza ny fanadihadiana mikasika izay mety ho fifandraisan’izy ireo sy ny raharaha nahafaty ny Dr Laivao. Ny hany manaitra fotsiny hatreto, dia «ny fahitana taratasim-bola roa vita sonia» tao am-paosin’ny Dr Laivao tamin’ny fotoana nahitan’ny mpitandro ny filaminana ny razana tao Analamalotra Ambalamanasy, sy ny fahafantarana fa misy antso amin’ny finday mampiahiahy ny mpanao famotorana. Ankoatra izay dia nidina tao Ranomafana sy ny manodidina ny kaomisera misahana ny fanadihadiana sy ny ekipany ny sabotsy teo, hijery ifotony ny tena zava-misy sy ny fikarohana ireo roalahy tafaporitsaka tao na efa naratra be noho ny tifitra aza.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT