Actualités

Famonoana mpitsabo nentim-paharazana Nampaneno lakolosy ny ANTM


  • Zoma 08 Janoary 2021

Nampaneno lakolosy manoloana ny trangana fisamborana sy famonoana

 

 

mpitsabo nentim-paharazana farany teo omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy na ANTM. Nanambara ny filohan’izy ireo, Josephin Andriandrainarivo, fa ireny tranga tany amin’ny faritr’i Menabe ireny izay namonoana mpitsabo nentim-paharazana ary nisy fisamborana ihany koa ilay mpitsabo nentim-paharazana nitondra fanafody tanaty taksiborosy dia herisetra eo amin’ny fiarahamonina, indrindra, eo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana. Endriky ny tsy fandriampahalemana ilay vono olona ka anjaran’ny mpitandro filaminana no tokony hanenjika ny mpamono. Mikasika ilay fisamborana noho ilay resaka fanafody moa dia tsy niresaka ny fehezan-dalana momba ny fahasalamam-bahoaka ilay hoe 2011-002 satria mazava ny azy ny fenitry ny fanafody iarahana amin’ny OMS. Amin’ny lafiny maha ara-kolontsaina ny fitsaboana kosa dia ny lalana 2013-017 tamin’ny 17 desambra 2013 no mamaritra azy ka heverinay fa ny lalana manenjika ny momba ny fanafody talohan’io lalana io dia efa foana ny heriny. Ampiasain’ny mpitandro filaminana ao amin’ny lalana famaizana navaozina ny taona 2005 izay misy andininy miisa 2 moa izy io. Voalaza ao fa raha nanao fanambarana mandainga na nampiasa ilay fanafody tamin’ny ratsy no tokony hanenjehana ilay olona. Antso no ataonay ANTM mba hijery an-kitsim-po ny raharaha satria tena hanandratra ny maha Malagasy antsika tokoa ve isika sa am-bava fotsiny? Avotsory ilay olona nosamborina ary enjeho miaraka amin’ny vava ilay namono mpitsabo, hoy hatrany ny ANTM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT