Actualités

Famonoana dokotera tao Toamasina Miala any sahady ny sakantsakana sy fandrahonana


  • Alarobia 13 Aprily 2011


Mbola resabe ao Toamasina ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny Dr Laivao. Ao anaty fanadihadiana lalina ny polisy amin’ireo 12 efa voasambotra, izay mety mbola hitatra. Rahampitso alakamisy no mety hiakatra fampanoavana ireo 12 voarohirohy, ahitana dokotera, mpitsabo mpanampy, miaramila misotro ronono, olon-tsotra ary mpiasan’ny Colas miasa amin’ny RN2. Re anefa izao fa misy sahady ny fandrahonana sy fanakantsakanana ny tsy hahavitana ny famotorana. Tapa-kevitra hatramin’ny farany anefa ny polisy sy ny zandary, fa tsy maintsy hivoaka ny marina.

Ny fikambanan’ny dokotera ao Toamasina, tarihan’ny filohany Ratiarison Nestor koa nitaky ny hamoahana ny marina rehetra sy hanasaziana izay nahavanon-doza manodidina ity nahafaty ny naman’izy ireo ity. Tsy ny mpanao fanadihadiana ihany no tratry ny fandrahonana izao, fa lasibatra hatramin’ilay olon-tsotra nanome ny fiarany hanaovana ny fanarahan-dia ny jiolahy tamin’ny lalam-pirenena faha-2 ihany koa. Nanomboka ny alakamisy lasa teo dia mahazo fandrahonana tsy miato ity olon-tsotra tsara sitrapo ity, ka mahazo antso toy hoe “anjaranao sy anjaranareo indray izao ny manaraka”. Tsy misy mihemotra eto, hoy ny mpitandro ny filaminana. “Ny marina tsy mba maty”, hoy kosa ireo fianakavian’ny maty sy ireo mpiara-miasa aminy. “Tsy maintsy mamita ny saziny, izay mety ho sazy mandra-pahafaty no miandry ireo mety nahavanona sy mpiray tendro aminy raha ny lalàna malagasy no arahina”, hoy kosa ireo mpahay lalàna miandry ireo voarohirohy tamin’ity raharaha hiakatra eo aminy tsy ho ela ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT