Nangina tanteraka ny raharaha fahafatesan’I Julien na Petit, ilay mpiasa sivily tao amin’ny Akademia Miramila Antsirabe, izay voalaza fa novonoin’ny miaramila tao amin’ity ivon-toerana ity.
Enin-dahy no naka azy tao an-tranony vao mangiran-dratsy tamin’ny 3 ora maraina ny talata 06 septambra teo, ary nihanika tamboho mihitsy ireo. Tsy niverina tany amin’ny fianankaviany intsony izy taorian’io, ary ny fatiny sisa no natolotra ny fianankaviana andro vitsivitsy taoriana. “Tena potika tanteraka ny lohany, hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Natao atao anaty “male” ka tsy nisy nahatsikaritra, nototoina vody basy sy nodakana”, hoy ny havany ny havany tamin’izany. Nisy ny karazana tsindry niainga tao anatin’ny toby tamin’ny fotoana nisian’ny tranga mba hanarontsaronana ny resaka, tao ny feo nivoaka fa hoe: hambara fa fahatapahana lalan-drà na “AVC” noho ny fahatairana. Ny sary nivoaka kosa, nisy ratra ny vatany. Nisy aza ny fanamarihana fa tapaka ny hazon-damoziny, tapaka ny tanany, mangana ny vatany rehetra, nodorana tamin’ny herinaratra,... Natao raharaham-pihavanana ve sa mahatsapa ho atody miady amam-bato ny fianankaviany ka nangina? Tsy ho sarotina alohan’ny tompony kanefa ain’olombelona ihany koa io, mametra-panontaniana ihany hoe: Angaha moa na tsy misy mpitory aza kanefa misy ny famonoana olona dia tsy miditra an-tsehatra ny fanjakana? Toa nangingina tsy nisy tohiny iny raharaha iny, toa tonga amin’ilay fandre mahazatra hoe: “mandeha na misokatra ny fanadihadiana”,… Tsy nisy fanazavana na fampitam-baovao ofisialy nataon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena na ny ACMIL, fa dia nokononkononina mangina tao. Tsara ny mampahatsiahy fa tsy vao izao no nisiana tranga hafahafa nisiana aina tao amin’ny ACMIL latsaka tao, fa efa nisy ny mpianatra ho mpanamory fiaramanidina namoy ny ainy noho ny antony tsy mazava, efa nisy mpianatra maty nipoahan’ny vanja,… Matimaty foana tahaka ny valala nosamborim-boka avokoa ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.