Nahazo fahafahana noho ny fisalasalana ireo olona izay nahiana ho tompon’andraikitra tamin’ny famonoana an’i Saholy tetsy Ambohimanarina tamin’ny febroary 2010.
Omaly no nivoaka ny didy mahakasika izany tao amin’ny efitra fitsarana ny raharaha momba ny heloka bevava. Tsy tonga teny amin’ny fitsarana ny tenany fa ny mpisolovava azy no nisolo tena azy teny an-toerana. Raha hiverenana dia maty tao anaty tatatra i Saholy izay nitondra vohoka tamin’ny febroary tamin’ny taon-dasa. Novonoina izy satria nisy dian-dratra maro ny lohany sy ny vatany. Nandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ka tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana zandriny iray no voarohirohy.
Momba ity raharaha ity dia fantatra fa efa samy manambady izy roa saingy niaraka tety amin’ny sisiny fotsiny. Tsy tonga tamin’izany anefa ny fanadihadiana fa nionona teo amin’ilay vono olona ihany. Raha ny fihevitry ny fianakaviana izay hampiakatra fitsarana ambony rahateo satria tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka, dia misy kajikajin’ilay tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana zandriny iray ny anton’izao. Mba tsy hahasimba ny asany dia naleony novonoina ilay vehivavy niaraka taminy.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.