Actualités

Famonoana alika faobe 104 no indray naripaka tany Madirovalo


  • Zoma 16 Jolay 2021

Nanatanteraka hetsika famonoana alika mpirenireny ny mponina tao Madirovalo ny alarobia 14 jolay lasa teo, niaraka tamin'ireo Veterinera tao an-toerana. Famonoana faobe io,

ka miisa 104 ny alika novonoina nandritra izany, izay hita nirenireny manodidina ny bazary. Izao no natao, hoy izy ireo, dia mba ho fiarovana amin'ny haromontana ary mbola hitohy ny asa. Maro ny soso-kevitra mivoaka eo anatrehan’ity zavatra natao tany Madirovalo ity, fa tokony hanaovana tahaka izao ihany koa eto Antananarivo. Ho an’ny Renivohitr’I Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ny Fitsipika mifehy ny ara-pahasalamana sy ara-pidiovana (CMH) izay niteraka adihevitra goavana ny fampandoavana lamandy ho an’ireo alika mivovo manakorontana manakotaba ny fiarahamonina. Mety ho manampy amin’ny fandriampahalemana anefa ireny, fa ny tena angatahan’ny olona dia hamonoana ireo alike mpirenireny fotsiny mandoto tanàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT