Actualités

Famonjena ny tontolo iainana Miantso ny rehetra hanamando ny tany ny Tandroharena


  • Talata 02 Novambra 2021

Ao anatin’ny fiarovana sy fanomezan-kasina ny vakoka sy lova ary harem-pirenena sy izao tontolo izao hatrany dia isan’ny iantsorohan’ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba

 izany na ny Tandroharena koa ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana ity. Harena voajanahary noharian’ny mpahary hiarovana ny ain’ireo mponina eto amin’izao tontolo izao mihitsy io ka raha sanatria potika dia miara-potika aminy eto isika mianakavy, hoy ny Tandroharena. Ho famonjena izay tontolo iainana izay, noho izany, dia manentana sy miantso ny mpiray tanindrazana rehetra sy izay afaka mandray ny fanentanana ataon’izy ireo ity fikambanana ity mba hanao hetsika hanamando isan’andro ny tany. Fihetsika tsotra toy ny fanondratondrahana rano ny tokontany miampy fanondrahana rano zaridaina isan’andro, araka izay azo atao isan’andro dia efa mba mety hisintona ny orana hilatsaka indray ka hahafahana misoroka ny sanatria haintany tsy ho zaka eto Madagasikara sy eto amin’ity izao tontolo izao ity. Isany ihany koa, mazava ho azy, ny hetsika fambolena zavaboary mahasoa amin’ny endriny rehetra na dia eo an-tokontany fotsiny aza, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT