Famokarana solika eto Madagasikara

> Voavinavina ho tamin’ny faran’ny taona 2012


  • Zoma 30 Aogositra 2013

Raha nizotra araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny firenena, izany hoe, tsy nisy ny fanalana ny mpitondra voafidim-bahoaka ara-dalàna tamin’ny taona 2009, dia efa namokatra solika nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2012 lasa teo i Madagasikara, hoy Razaka Elisé, minisitry ny Angovo sy ny harena ankibon’ny tany tamin’ny fitondrana Ravalomanana.

Nambarany fa tena efa nandroso tanteraka ny asa fikarohana solika teto amintsika tamin’ny taona 2008 sy 2009 ireny. Na dia mbola eto aza ireo kaompania vaventy vahiny niara-niasa tamin’ny mpitondra tamin’izany dia nanatsahatra ny fanohizana ny asa kosa izy ireo noho ny toe-draharaham-pirenena tsy mbola milamina tanteraka. Ny filazana fa hoe izay firenena manana solika dia tsy maintsy mikorontana dia marina amin’ny lafiny iray, hoy ny Tale jeneralin’ny OMNIS teo aloha ity. Ny antony dia satria misy ireo izay mikatsaka mafy ny tombontsoany mba hifehezana ity sehatra iray manan-danja maneran-tany ity. Tafiditra ao anatin’ity tranga ity, ohatra, ny any Irak sy Lybie. Fa misy ihany koa anefa ireo firenena izay milamina tanteraka na dia mpamokatra solika aza izy ireo toa an’i Etazonia sy Norvège ohatra. Ho an’ity teknisianina ambony ity dia tsy mitombina loatra io fomba fijery io, satria raha izay tokoa no izy dia tsy hisy filaminana mihitsy eto Madagasikara. Nanamafy ny minisitra teo aloha Razaka Elisé fa betsaka ny hadirin’ny solika ambonin’ny tany sy any an-dranomasina hita eto Madagasikara.

Efa azo trandrahana avy hatrany ireo solika ambonin’ny tany manodidina ny 500 tapitrisa barily ao Tsimororo. Toraka izany ihany koa ny ao Bemolanga izay ahitana hatrany amin’ny 1.000 hatramin’ny 2.000 tapitrisa baril izay lafolafo kokoa ny mamokatra azy noho ny toetry ny vato ao aminy ka mila fitaovana tena goavana ny fitrandrahana azy ireo. Efa voaporofo ihany koa, hoy ny tenany fa manana solika misimisy ao an-dranomasina isika nefa tsy afaka nanomboka ny asa noho ny disadisa politika teto amin’ny firenena. Raha ny karazana solika hita eto amintsika dia misy 4 dia eo ilay maivana indrindra antsoina hoe “light oil” izay mora ahodina ho solika, manaraka izany ny “huile lourde” izay hita ao Tsimororo izay mila etona ny fitrandrahana azy, fahatelo ny “pétrole juste bitumineux” anaty tany izay mila fitaovana matanjaka ary farany ny “gaz” izay ananantsika koa. Misy akony tsara eo amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny mponina ao anatin’ny fe-potoana manodidina ny enim-bolana aorian’ny famokarana azy ny solika raha madio sy mangarahara tsara ireo tompon’andraikitra mitantana izany, hoy Razaka Elisé satria mampiditra vola vahiny betsaka izy io.

Ramano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT