Actualités

Famokarana herinaratra Jona 2022 vao tena hilamina Andekaleka


  • Talata 11 Janoary 2022

Nambara omaly fa hisy ny milina faha-4 manana tanjaka 34MW hapetraka ao Andekaleka amin’ny volana ho avy io mba hampiakarana ny famokarana mamatsy an’Antananarivo.

Tanjona ny hampiakatra ny herinaratra vokarina ao Andekaleka ho 120MW, raha 90MW izany ankehitriny. Tapaka tanteraka moa ny famokarana any an-toerana amin’izao vokatry ny fahamaizan’ny « tranformateur » mamoaka 30MVA ny 02 janoary, niteraka fahapotehana nampitsahatra ny milina telo. Nambara moa, fa any amin’ny volana jona 2022 no ho vita ny asa fampitomboana ny famokarana ao Andekaleka io izay nolazaina fa eo amin’ny 30%n’ny asa no vita amin’izao fotoana izao. Ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola no mitondra ny vola hoenti-manatanteraka ny tetikasa ary ny orinasa Sinohydro Corporation Limited kosa no manatanteraka azy. Fanatanterahana ny asa fotsiny no ataon’io orinasa io sa efa fironanana tsikelikely amin’ny fanomezana ny famokarana ao Andekaleka ho an’ny tsy miankina ? Mikasika ny asa fanarenana ny fahasimbana niainga tamin’ny fahamaizana ny ny 02 janoary kosa dia voalaza fa eo amin’ny 50% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Mbola mila telo andro eo ny fanamainana ny toby izay dibo-drano, arahin’ny asa fanamarinana ireo tariby mialohan’ny fandrohizana azy amin’ny milina misy. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina fa vola madiodion’ny Jirama no hamatsiana ny fanaovazana. Nambara fa hiverina amin’ny laoniny 90MW ny famokarana faharafahatarany amin’ny volana jona. Tena mila enim-bolana eo ho eo ve izany ny fanarenana? Nidina tany an-toerana moa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly, nandeha lamasinina niainga avy tao Moramanga, ary efa nisy ny serasera nialohan’izay fa dia hoe: izy no Filoha niazo an’Andekaleka 40 taona aty aoriana. Dia inona izany no tena vokatra entin’ny fidinany any sa dia mba mila maneho an-tsary fotsiny hoe: io ny Filoha fa tonga mijery ny zava-misy ao Andekaleka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT