Actualités

Famokarana angovo Mihemotra amin’ny 2025 ny fampiasana an’i Volobe


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Mihemotra amin’ny taona 2025 ny fahafaha-mampiasa ny ivon-toerana famatsiana angovo ao Volobe (Faritra Atsinanana)

 

 raha novinaniana ho afaka hiasa afaka 2 taona. Tsy nahitana fivoarana ny mikasika ny soniam-pifanaraha-miasa mikasika ny fahazoana izany sy ny fifanarahana momba ny fanjifana herinaratra mikasika izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny vovonan’ny seraseran’ny kaompaniam-pirenena mikasika ity famatsiana angovo na « hydroélectricité » ao Volobe (CGHV) ity. Efa vonona hatramin’ny taona 2020 nefa ny tetikasa momba ny fifanarahana amin’ny fandraisana izany sy ny antsoina hoe PPA na « Power purchase agreement ». Ny areti-mandripaka Covid 19 rahateo no isan’ny nampitarazoka ny fanapahan-kevitra, raha ny fanazavana. Tsiahivina fa ity ivon-toerana izay manana tanjaka 120 mégawatts ity dia notombanana hamokatra ho an’ny faritra Atsinanana no sady hamatsy ny vokany amin’ireo tambazotra mifandray amin’Antananarivo na RIA.

 

120 MW ny herinaratra hovokarina ao Volobe. 25m ny haavon'ny toho-drano ary manodidina ny 660 Ha ny velaran'ny farihy.Asa maherin'ny 500 no hoforonina.2 tapitrisa ny mponina ho voakasika mivantana ary tokantrano maherin'ny 360.000 no vinaina hisitraka angovo.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT