Niampy 170 isa indray ireo mpanjaitra matihanina amin’ny famokarana akanjo vita Malagasy eto amintsika.
Mpianatra navoakan’ ny Ecole de Coupe et Couture Volana eto Antananarivo izy, niofana am-bolana maro, notolorana diplaoma ny sabotsy teo teny amin’ny By Pass. Mpianatra avy amin’ireo sekoly fito eto an-drenivohitra izy ireo toa an’Ambohibao, Ambodifilao, 67 ha, Analakely, Andravoahangy misalotra ny anarana « Miakanjo tsara » andiany faha-22. Afaka soa aman-tsara tamin’ny fanadinam-panjakana notanterahina ny volana mey teo avokoa izy ireo, hoy Razanamanalina Volana, filoha sady tale jeneralin’ny sekoly, voka-panadinana 100 % ho an’ireo mpianatry ny Eccova miisa 270 manerana ny Nosy. Nampiavaka azy ireo ny fiangaliana sy fianarana manokana momba ny décoration interieur raha teo ihany koa ny fahaizana mandrafitra ny kiraro sy ny poketra amin’ny endriny miavaka. Ekena fa miparitaka sy mitobaka tokoa ny lamba tonta na friperie eto amintsika saingy miezaka hatrany izy ireo hanatsara ny kalitaon’ny entana vokariny hanomezan-danja ny vita Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsaran’ny sekoly ny fitaovana hampiasainy. Mbola hitohy mandritra ity volana jolay ity ny famoahana ireo mpianatra any amin’ny faritany ka i Toliara no hisantarana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.