Famoahana voka-pifidianana vonjimaika

> Andrasana amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013

Fanamby napetraky ny filohan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita, Rtoa Atallah Béatrice, ny hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika 10 andro aorian’ny fandatsaham-bato, izany hoe anio alatsinainy 04 novambra 2013 raha atao ny kajy tsotsotra.

Raha ny zava-misy momba ny fikirakirana ireo voka-pifidianana tonga eny amin’ny foiben’ny CENI-T eny Alarobia no jerena dia azo atao tsara ny manenjika io fe-potoana nomen’izy ireo ity. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa miroso amin’ny fanangonana ireo voka-pifidianana eny anivon’ny Distrika sisa no tena andraikitra goavana sahanin’ny kaomisiona. Tamin’iny faran’ny herinandro lasa iny ihany koa dia efa mihoatra ny antsasa-manilan’ny birao fandatsaham-bato no nokirakiraina teny an-toerana ary efa nihoatra ny ampahatelon’ny vokatra no vita fampitahana. Ny azo ambara kosa aloha dia mitombo miandalana ny hafainganam-pandehan’ireo ekipa miandraikitra ny fampandehanana ny fanatanterahana ireo asa manomboka amin’ny fanangonana ireo voka-pifidianana avy amin’ireo rafitra isan-tsokajiny, mitohy amin’ny fampitahana in-telo miantoana azy ireo ary miafara amin’ny famoahana ireo antontan’isa vonjimaika ka inoana fa hivoaka amin’ity herinandro ity izany farafahatarany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT