Actualités

Famitana ny lisi-pifidianana Sempotra ny FAT ka mila vonjy


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Nisongadina nandritra ny fanentanana nataon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, Randrianazary mahakasika ny fikarakarana ny lisi-pifidianana tany Ambatondrazaka ny fiangaviana ny vahoaka mba handray an-tanana ny hoaviny.

 Nambaran’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta FAT ity fa latsaka ankaterena ny firenena koa miantso ny vahoaka haneho ny safidiny. Roa taona mahery, hoy ingahy minisitra nihodinkodina teto fotsiny ny fiainam-pirenena, tsy nahavaha ny olana ny vahiny, koa avelao ny Vahoaka andriamanjaka haneho ny heviny dia hita eo izany SADC izany. Nambarany fa fanavotam-pirenena no atao amin’ny alalan’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana koa ampirisihina ny vahoaka hifanolo-tanana amin’ny famitana izany. Raha sanatria tsy tomombana izany, hoy ingahy minisitra dia isika mianakavy no miaraka sahirana eto. Hita taratra eto fa mila vonjy any amin’ny vahoaka ny FAT. “Nahoana nandritra izay roa taona mahery nisian’ny krizy izay tsy nijery ny vahoaka ny FAT fa ny ataony ihany no ataony ?

Ankehitriny efa latsaka an-davaka ny firenena vao hoe fanavotam-pirenena !”, hoy ny feo nasetrin’ny olona tao Ambatondrazaka izany. Tsy mahavaha izao olana izao intsony ny mpanao politika, hoy ity minisitry ny zandary ity ka tokony handray ny andraikiny ny vahoaka. Mila manaraka fenitra iraisam-pirenena anefa ny fifidianana, hoy izy ka raha tsy manaraka izay fenitra izay dia hitombo indray ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy. Dia nambara tamin’ny fanentanana izay nataon’ireo minisitra roalahy miadidy ny zandary sy ny filaminana anatiny, ny Contrôleur Général Ranaivoson Dieudonné, fa baiko no omena ny olom-panjakana rehetra fa tsy maintsy vitaina mialoha ny faran’ny volana jolay ny lisi-pifidianana ka ireo izay manohintohina izany dia ho raharaha no hahazo azy.

 

Nangonin’i Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT