Actualités

Famitahan’olona sy fisolokiana Tratra ilay nisandoka ho mpiasan’ny prezidansa


  • Talata 01 Desambra 2020

Lehilahy iray 47 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny BC Anosy

 

 

 

noho ny resaka fisandoan’andraikitra sy fampiasana hosoka. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 24 novambra lasa teo no naharay antso ny tale eo anivon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa avy amina lehilahy iray mitonona ho mpanolon-tsaina manokana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ka nangataka fihaonana tamin’io Tale Jeneraly io. Tsy nisalasala ny Tale Jeneraly nandray an’ity lehilahy ity tamin’io andro io ihany, noho ny anaram-boninahitra nampiasainy. Nilaza ihany koa izy fa « Facilitateur » eo anivon’ny « UNESCO » ka misy tetikasa avy amin’io vondrona io izay mitentina efatra tapitrisa Euros (4 000 000 euros) ka ny ministeran’ny fampianarana teknika no voafidin’ny filohan’ny Repoblika Malagasy hisitraka ilay tetikasa. Nangataka tamin’ny Tale Jeneraly noho izany ity lehilahy ity mba hametrahan’ny tale jeneraly ny « En-tête »-n’ny Ministera sy hametraka ny soniany amin’ny taratasy izay teny anglisy ranoray. Rehefa lasa ity lehilahy nitonona ho mpanolontsaina manokana ity dia nanadihady ny tany anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ny Tale Jeneraly ka fantatra fa tsy misy eo anivon’ity sampandraharaha ity ny anaran’ity lehilahy ity ary toy izany koa ny teo anivon’ny « UNESCO » izay milaza fa tsy mahalala ny fisian’ilay tetikasa. Nampilaza ny polisy avy hatrany ilay tale voafitaka ka rehefa niverina teny amin’ny Birao teny Ampefiloha ilay lehilahy dia noraisim-potsiny.Nahitana tombokasem-panjakana maro toy ny an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, Ministeran’ny fitaterana, Kasean’ny fiadidian’ny Repoblika, Kase an’ny « Consul honoraire de Madagascar » any Singapour tao amin’ny biraony Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy. Marihina moa fa tamin’ny alalan’ny Association house Madagascar izay mpiara-miasa amin’ny ministera teo aloha no nahafahany nampiasa ireo tombonkase ireo, fikambanana izay fantatra fa tsy mijoro ara-dalana ihany koa.

Pati

 Legende : Ity ilay lehilahy sy ireo taratasy hosoka nampiasainy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT