Actualités

Famitahana amin’ny facebook Tratra ilay mpisoloky ho mandefa mpiasa any Canada


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisin’ny SCESLFD Anosy tany Ambanja ny 06 desambra lasa .

 

 Raha araka ny fantatra dia nisoloky ity lehilahy ity ary olona maro no efa voany. Ny volana Aprily teo izy no efa notadiavina ary efa manana raharaha hanenjehana azy hatrany ny Polisy ao amin’ny SCESLFD Anosy. Mampiasa kaonty facebook hosoka iray no fomba entiny hisolokiana izay ahitana sarina tovovavy. Amin’ny alalan’io no hakany namana hiresahana amin'izay olona hosolokiana. Lazainy amin'ny alalan’io kaonty io arak’izany fa efa miasa any Canada ny tenany fa misy olona avy eto Madagasikara nanampy azy. Omeny ny kaontiny hafa indray izay olona resy lahatra izany hoe : hifampiresaka mivantana amin’ilay olona mahavita mandefa olona hiasa any Canada. Marihina fa olona avy any amin'ny faritra avokoa ireo olona voany ireo ( Toliara, Nosy be, Diego), ka asainy miakatra eto Antananarivo rehefa voahangona ny antontan-tarasy hampanaoviny sy asainy karakaraina. Rehefa tonga eto an-drenivohitra ireo olona ireo dia hakany vola 2 000 000 Ariary ary apetrany any amin'ny tranom-bahiny. Rehefa azony ilay vola tadiaviny dia lasa mitsoaka izy ary misy fotoana entiny miaraka aminy hatramin'ny entan'ireo olona ireo . Taorian’ny fitoriana napetrak’ireo voasoloky sy ny noho ny fiaraha-miasan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Ambanja, polisin’ny BC ary ny Polisin’ny SCESLFD dia tratra tao Ambanja ilay lehilahy. Ny 11 desambra teo no niakatra fampanoavana ny raharaha ary naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT