Actualités

Famingavingana sy fihantsiana vahiny Iza no hosamborina ?


  • Alakamisy 23 Mey 2013

Ny haino aman-jerin’ny filohan’ny tetezamita no tena nanao ny dokambarotra niantsoana ny olona ho avy teny amin’ilay fihetsiketsehana teny Ankorondrano omaly.

 Izay no nahatonga ny maro resy lahatra avy hatrany fa ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina no tao ambadik’iny, na inona na inona fialana bala mety hataony eo indray, amin’izay indray sady tsy nahazoana alalana avy amin’ny Prefen’Antananarivo ilay fihetsiketsehana no nampilaza tamin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa trakta sy haino aman-jery avy hatrany no nitaomana olona. Nokianina mafy ery ny Zanak’i Dada manao fihetsiketsehana anaty fefy eny amin’ny Magro fa hoe : inona foana no mbola hivorivoriana f’angaha tsy efa fiaraha-mitantana izao ? Io anefa fa midina an-dalambe ny mpomba an-dRajoelina ary milanja sorabaventy tena masiaka sy mamingavinga diplaomaty vahiny, ary lasibatra tamin’izany i «Fatma» raha ny hita tamin’ny sorabaventy sasany teny Ankorondrano teny omaly

. Fahasahiana tsy misy mihoatra izany, ary asa raha mba naminavina ny mety ho vokatr’izany sorabaventy nolanjainy izany ireto olona teny Ankorondrano ireto, na nokaramaina dia nilanja fotsiny fa tsy mahafantatra akory izay voasoratra. F’angaha moa tsy eny amin’ny Parlemanta na ambony latabatra indray no tokony hanehoan-kevitra sy hifandresen-dahatra fa tsy maintsy midina an-dalambe ? Tena mahay vava aok’izany mantsy ireo mpomba ny filohan’ny tetezamita manakiana ny hafa, kanefa toa izy ireo mihitsy izao no midina an-dalambe hanakorontana sy hiantsy ady indray. Tsy dia mahagaga ihany moa ny zavatra tahaka izao satria nanomboka tany Maputo tamin’ny 2009 ka hatrany Seychelles tamin’ny 2012 dia mahery fihetsika foana ny filohan’ny tetezamita ary nalaza tamin’ny fanakaratohana ny varavarana. Ny ataon’ny ray aman-dreny ihany hono no matetika averin’ny zanany ! Mazava ny tenin’ny profesora Raymond Ranjeva fa “fitondrana jiolahimboto no misy eto» nanomboka tamin’ny 2009.

Nisy ny tezitra tamin’izany fomba fiteny izany, kanefa rehefa tena dinihina amin’ny saina tony dia tsy mifanalavitra velively amin’ny zava-misy izany. Tsy azo ekena ny fanaovan’ny sehatra iraisam-pirenena tsinontsinona ny Malagasy. Tsy mendrika koa ny fihetsika sy fiteny tsy voahevitra ataona andiana Malagasy tena vitsy an’isa, izay manaratsy endrika tanteraka antsika mianakavy, ka mahatonga ny vazaha hanambany antsika isaky ny mihetsika izao. Fa ny tena andrasan’ny maro izao dia hoe hisambotra ka hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ve ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana sa hojerem-potsiny mba halain’ny andian’olona hafa tahaka iny raharaha teny Ankorondrano iny ?

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT